Ny nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy
Manage episode 320812515 series 3318162
Inona no fianarana azo tsoahina amin'ny fakam-panahy nahazo an'i Jesosy Kristy?
« Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy » (Lioka 4:1)
« ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. » (Lioka 4:2)
« Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. » (Lioka 4:3)
« Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). » (Lioka 4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. » (Lioka 4:5)
« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lioka 4:6)
« koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. » (Lioka 4:7)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20). » (Lioka 4:8)
« Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; » (Lioka 4:9)
« fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; » (Lioka 4:10)
« Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Lioka 4:11)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Lioka 4:12)
« Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. » (Lioka 4:13)
175 פרקים